Alahadin’ny Mpitandrina

Alahadin’ny Mpitandrina 14 martsa 2021

« Fa araka ny itomboanareo amin’ ny zavatra rehetra, na amin’ ny finoana, na amin’ ny teny, na amin’ ny fahalalana, na amin’ ny fahazotoana rehetra, na amin’ ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’ izao fahasoavana izao.» 2 Kor 8/7

Notontosaina ny Alahady 14 martsa 2021 lasa teo ny Alahadin’ny Mpitandrina teto amin’ny Fitandremana FJKM Ankadimbahoaka, ka nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy nitondrana am-bavaka ny Mpitandrina RATSIMANDRESY Joseph Andriamparany sy ny ankohonany. Ramatoa RATSIMANDRESY Estera Mpitandrina, izay vadin’ny Filohan’ny FJKM no nitarika ny fotoana, ary  ny Mpitandrina RATSIMANDISA  Haritiana Zo, Recteur Oniversity FJKM Ravelojaona no nitondra ny tenin’Andriamanitra, izay nalaina tao amin’ny 2 Koritiana  8 and 7 manao hoe « Fa araka ny itomboanareo amin’ ny zavatra rehetra, …, na amin’ ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’ izao fahasoavana izao ». Notsindriny manokana tamin’izany fa :

  1. Izay tia mahafoy
  2. Izay tia mandray fahasoavana

Toy ny fanao dia ny Biraon’ny fiangonana no nitarika ny fotoana, nanao ny vavaka sy ny vakin-teny. Niara-nientana kosa anefa ny sampana, sampan’asa ary ny fikambanana rehetra ka nampiseho ny fiombonana. Tsy diso anjara tamin’izany ny Loholona sy ny Diakona izay nampiseho tokoa fa mpiara-miasa akaiky sy naman’ny Mpitandrina.

Nandritra ny lahateny izay nentin’ny Biraon’ny fitandremana no niarahabana sy nirarina soa ho  azy mianakavy amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana, ary nanolorana azy ireo ny tenin’ny Soratra Masina manao hoe:

« Tsy hianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba omen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako na inona na inona ».  araka ny Jaona 15 and 16

Tsy mora noho izany ny adidy sy ny asa hanirahan’ny Tompo ny Mpitandrina ka notononina taminy ilay fiteniny manao hoe « MAHEREZA ».

Teo ihany koa ny fanentanana ny mpianakavin’ny finoana rehetra hahatsiaro mandrakariva hitondra am-bavaka azy mianakavy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

Alahady 21 jona 2020

Aza matahotra (Zakaria 8/15d)

Toriteny: Aza matahotra

Aza matahotra

Aza matahotra intsony. Nahoana ? taloha dia natahotra noho ny heloky ny ray aman-dreny. Kanefa ny heloky ny ray aman-dreny dia tsy heloky ny zanaka. Rehefa miova fo ny zanaka dia tsara ny ho avy eo amin’Andriamanitra, tsy matahotra intsony. Andriamanitra mantsy rehefa tezitra no ny otan’ny ray aman-dreny teo amin’ny zanaka dia ataony mahita loza ny olombelona mampahatezitra Azy. Mahatezitra = mira olombelona manompo sampy. Fa rehefa miverina kosa dia honoiny vavaka sy hasiany soa, ary ilazany hoe « aza matahotra ». Milaza inona amin’ny finoana izany ? Manambara inona amin’ny mpino izany ?

Milaza sy manambara izany fa :

Tsara Jehovah

Teny telo fanalahidy :

Tsara = tsy miangatra amin’ny fiainan’ny olona Izy

Sampy = tezitra Izy miala Izy

Tezitra = nalainy ny Fanahy nataony ao anaty (Saoly mpanjaka no voa tamin’izany).

Koa ny kapoka ataony dia milaza fa tsara Izy, ny olombelona mantsy andrianin’Andriamanitra saingy ny olona no tia fanambaniana. Nivadika amin’Andriamanitra dia manolo an’Andriamanitra amin’ny sampy, koa satria tsara Izy dia mikapoka. Kapoka = fahatsaran’Andriamanitra.

Ny anarana hoe Jehovah Tompon’ny maro dia manana ny fahefana rehetra amin’ny voary rehetra satria lehiben’ny tafika any an-danitra.

Tsy misy hahatohitra Azy. Milaza izany fa ny hoe, tsy misy mahatohitra Azy dia tsara Jehovah. Toloroana Fanahy hendry mahatoky. Esoriny ny Fanahy Masina amin’ny mivadika aminy.

Ohatra :  Solomona dia nomena fahefana tahaka ny fasika ny habetsany, Saoly tsara tarehy lava ranjanana, nongotan’i Jehovah taminy ny Fanahy Masina dia lasa gaigy. Fa ny hoe « aza matahotra » ny heviny dia izao, tsy ho voakasiky ny loza, porofo fa tsara Jehovah. Famonjena tombony ny dikany, lasa ny fanandevozana sy ny ozona ary mitahiry ny fitahiany. Vita ihany ny 70 taona tany babilona.

I Hagay sy Zakaria dia samy ahitana fiverenana avy amin’ny Babilona hanorina indray an’ny Jerosalema (manda lapa tempoly). Noho izany ny fanorenana indray ny lapa sy ny tempoly dia midika fa aza matahotra miara-monina amin’Andriamanitra indray ny zanak’Israely, izany hoe ny fanjakana ampiana fivavahana (Saoly, Davida, Solomona miampy fivavahana) (Mosesy + vahoaka + didy folo). Tsy misaraka amin’ny fivavahana ny fitondrana.

Misy andriamanitra ratsy eto an-tany hivavahan’ny olona (andriamanitra lina ady, andriamanitra manome fanahy iray hahafaty ny fahavalo). Fa Jehovah kosa dia Andriamanitra tsara, manitsy amin’ny alalan’ny kapoka ka manome fahendrena sy fahazavana ary famonjena.

Ny finoana an’i Jehovah ary dia tsy mandeha ila fa misy lainy roa hatrany : kapoka = tsara Jehovah, fitahiana = tsara Jehovah.

Manisy soa Izy

Inona ny soa lazaina fa ataon’i Jehovah ? eo amin’ny andininy faha 11-13 dia izao : « hamoha amin’ny fiadanana ny voaloboka » (tsy vanona ny voaloboka amin’ny fotoana mikorotona na be rivotra). Ny tany hahavokatra dia tany matsiro, ny andon’ny tany hirotsaka. Tso-drano tanteraka izany. Ny famonjena iainana.  Ny Israely no ilazana izany. Ny soa izany = fiadanana, vokatra, ando ary tso-drano. Fiadanana avy amin’Andriamanitra. Vokatra avy amin’ny tany, andon’ny lanitra avy amin’Andriamanitra ary tso-drano avy amin’Andriamanitra.

Andriamanitra dia niasa mialoha tany Kanana tamin’ny alalan’ny tso-drano, jereo ny Deotoronomia 28/3-12. Tsy mbola nitsaka rano ny zanak’Israely dia nomena azy ny fitahiana.  Jehovah hanandratra ny zanak’Israely, Jehovah ny hamoha ny lanitra ho an’Israely. Ary nampanatena fa ho lasa firenena manankarena ny Israely. Dia tanteraka daholo ireo rehefa nonina tao Kanana  ny zanak’Israely.

Voky hanina sy maro anaka ny Israely, misokatra isan’andro ny fitahiana, misandratra sy mitombo hery.

Voky ny soa (kapoka ohatra). Dia niova ny Israely, rehefa nibebaka ny Israely dia nomen’Andriamanitra mpamonjy : Deobra, Gideona sns.

Andriamanitra miverina amin’izay miverina Aminy dia manisy soa « miverena amin’Andriamanitra dia miverina aminao Izy, izany hoe hanisy soa anao Izy. » Fibebahana = fahazahoana soa, soa azo = Andrimanitra. Miveren-dàlana amin’ny olona.

Hoy ny Salamo 34/8-10 : « Andramo ka izahao fa tsara Jehovah, sambatra ny olona izay mialoka AMiny ». Miverena amin’Andriamanitra dia ho sambatra ianao, tsy hanan-java-mahory, tsy ho orin-javatsoa.

I Petera, rehefa tena niverina teo amin’i Jesoa Kristy teo amin’ny tantara dia niteny hoe : « aza atao mitovy fahafatesana amin’ny Tompo aho, aoka hitsingolika ny hazo fijaliako ».

Ny devoly hoy Petera dia toy ny liona mandehandeha mierona mitady izay ho arapany. Ny devoly izany dia mijoko, masiaka, mitady izay hahafaty haingana. Koa rehefa tsy matahotra dia soa avy amin’i Jehovah ny tsy matahotra ny devoly.

Ao amin’ny Zakaria 8/14-17 : « maro ny olona manaradia ny Israely noho ny soa sesehena azon’ny Israely tamin’i Jehovah satria ny olona mahazo soa = omban’Andriamanitra, izany hoe tsy very mandeha, ny olon’Andriamanitra dia omban’Andriamanitra sy ny Anjely »

Fehiny

Aza matahotra intsony fa tsara Jehovah, manisy soa ny olona Izy. Amena.

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Alahady 07 jona 2020

MIFANKATIAVA

« Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo ; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia » Jaona 13/34-35

PERIKOPA: Salamo  133 ; Jaona 13/31-35 ; Romana 13/8-10

FITARIHANA

  1. Fanasana tongotra : fanetre-tena. Fidinana ho ambany. Fitaizana ho mpanompo. Mpampianatra sady Tompo aza manao izany ; nahoana moana raha samy mpianatra tsy hahavita ve ?
  2. Misy mpamadika anefa : Jesoa vao avy nampianatra fanetren-tena teo anefa, no nilaza mazava fa anankiray amin’ny mpianatra no hamadika Azy. Niteraka alahelo na horohorom-panahy izany ; tsy ny hanatanteraka an’ny gologota anefa, fa noho ny amin’ny iray izay ho very mantsy kanefa dia niray aina taminy ihany.
  3. Araka ny andininy 28-30 hoe : « Fa tsy nisy tamin’izay nipetraka nihinana nahalala ny antony nilazany izany taminy. Fa nataon’ny sasany fa satria Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan’i Jesoa taminy hoe : vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny andro firavoravoana, na mba hanome zavatra ho an’ny malahelo. Ary rehefa mandry ny sombin-kanina izy dia nivoaka niaraka tamin’izay ; ary efa alina ny andro ». Noheverin’ny Apostoly fa zavatra hafa mihitsy ny resaka ka tsy dia nahoany ny nandre izay voalaza.

Fa ny zava-dehibe, tohin’ny fivadihan’ny anankiray tamin’ny Apostoly dia ny fifankatiavana. Hianareo 11 lahy, mifankatiava, didiko izany, fanaoko izany, fijoroana amin’ny maha mpianatro izany.

MIFANKATIAVA FA DIDIKO IZANY

Aza mamaly ratsy no dikany. Mamaly ratsy = fomban’ny olona mpanao andolom-po. Fitiavana soloina lolompo. Ny didin’i Jesoa Kristy = ovana lolompo. Koa raha misy olona hanaovana lolompo, itrangan-javatra sarotra dia lalovana fotsiny na iviliana làlana.

Ohatra : levita sy Mpisorona ao amin’ny Lioka 10/25-41

Satria tsy Jiosy voaendaka no hita ao, na dia misy lolo-po aza angamba eo amin’ny Samaritana sy Jiosy, tsy nandao na nandalo ilay Samaritana fa namonjy. Ny olona mitahiry lolom-po = avelao ho voa any.

Fianarana avy amin’Andriamanitra izany. Ny devoly tokana ihany no fahavalon’Andriamanitra. Mianara avy amin’Andrimanitra. Aza miangatra. Aza mizaha tavan’olona. Eny an-tsena dia misy olona mizaha tavan’olona. Ny fitafinao ivelany no jereny vao tombanany ny vidin-javatra. Asiako ity. Voako ity. Tsy misy fitiavana izany fa mety lolom-po tsy ahoan-tsy ahoana.

Ry malala, ny mahatehotia, ny voantson’Andriamanitra, ry masin’Andriamanitra. Raha tia an’Andriamanitra hianao, aza mankahala olona fa mpandainga eo imason’Andriamanitra ny toy izany. Manao ny asan’ny devoly ny toy izany. Izao no didy : « Izay tia an’Andriamanitra tsy maintsy tia ny rahalahiny ». Fitiavana mitovy lanja, mitovy refy ny fitiavana enti-mitia an’Andriamanitra sy ny manana.

Tsy misy AGAPE samy hafa.

  • Samy tsy misy fepetra
  • Izay olona mbola tian’Andriamanitra, tsy maintsy tiavina
  • Na faran’izay ratsy eo amin’ny fiaraha-monina aza. Andriamanitra tia azy = tiavo izy.

« Raha velona koa aho hoy Jehovah, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany ». Didy izany. Tsy lany andro izany. Mahantra mandrakizay izany. Tsy ho levona izany.

MIFANKATIAVA AO AMIN’NY TOMPO

« Tahaka ny nitiavako anareo no aoka hifankatiavanareo koa. » Mifankatiava ao amin’ny Tompo. Araka ny fomban’ny Tompo.  Araka ny fomba tsara ny Tompo. Fomba tsy misy tsiny, tsy misy kianina, tsy misy fanamarihana azo atao. Fomban’Andriamanitra = ny Azy irery no marina, ambony, tsy tratra ho hazavaina.

Mifankatiava ao amin’ny Tompo = fifankatiavana tokana no miseho eo amin’ny kristianina rehetra. Tsy manam-paharoa izany hoe tsy maintsy Jesoa eo amin’ny fiainana sy atao rehetra ary aleha rehetra. Mifankatia tsy maintsy misy Jesoa.

Raha mbola misy hoe ao amin’ny Tompo, sarotra ny tsy hifankatia, sarotra ny miziriziry. Miziriziry = nialan’ny fanahin’i Jesoa Kristy Mpampihavana.

Raha mbola mino isika fa Jesoa Kristy no niteny hoe : « Tahaka ny nitiavako ….. kosa » sarotra ny tsy hifankatia. Ny olombelona  efa mibasy efa maty angamba : olombelona tsy miraharaha izay mety ho vokatry ny teniny.

Ny mpianatry ny Tompo : tia ny Tompo. Tia ny teniny. Ao anatin’izany mifankatia ao amin’ny Tompo.

MIFANKATIA DIA FIJOROANA HO VAVOLOMBELON’I KRISTY

« Izany no hahafantaran’ny olona fa mpianatro hianareo rehefa mifankatia ».

Anisan’ny marina sy rariny tsy maintsy ijoroana ny fifankatiavana, mijoro tarihin’ny Fanahy Masina anefa. Mitandrina ny didy eo imason’ny olona. Atao azo tsapain-tanana fa mifankatia sy mitoetra amin’ny fifankatiavana ny Kristianina no dikany.

  • Ny olona tia fifankatiavana : olona manan-kaja, milaza fa olona ambony fiainana. (Zanak’Andriamanitra ny mpampihavana)
  • Noho ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia mahita soa ny manodidina ary misandratra (samaritana tsara fanahy)
  • Manao izay nataon’Andriamanitra. Manome ny sarobidy indrindra (Zanany lahy tokana)
  • Madio ny olona mifankatia satria tsy misy ratsy miserana akory eo aminy.

Noho izany ny olona ambony tarihin’ny Fanahy Masina tia manome ny sarobidy indrindra ary madio dia lazain’ny Jesoa Kristy fa mivelona, mandeha, manaraka ny didy tsy mavesatra (I Jaona 5/3) izany hoe azo lanjaina tsara miaraka amin’ny tena eny rehetra eny ny fitiavana. Sampona raha tsy manana izany.

Misy ohatra tsara lazain’ny Salamo 133 dia ny mpirahalahy miara-monina, izay oharina amin’ny diloilo. Diloilo : menaka fanosorana mpisorona : milaza fitahiana sy fahaoavana ary fiadanana.

Azo itarina amin’ny mpirahavavy miara-monina. Azo velarina any amin’ny rafozana sy vinanto (Vavolombelon’i Kristy). Ahoana ny hoe ny havantiana tsy hiara-monina ? Ahoana hoy ny Soratra Masina : « raha azo atao dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra ». Tsy rariny hoe havan-tiana tsy iaraha-monina. « Aza ny ratsy no alain-tahaka fa ny tsara » (II Jaona 11). Tsara : tsara ataon’ny olon’Andriamanitra ka halain’ny olona tahaka.

FEHINY

Hoy ny hafatra

  • Mifankatiava
  • Mifankatiava ao amin’ny Tompo
  • Mifankatiava fa vavolombelon’ny Tompo ny manao izany.

Ireo no hevitr’Andriamanitra rehefa mifankatia.

Mifankatia ao amin’ny Tompo, vavolombelon’ny Tompo.

Ny vavolombelon’ny Tompo dia mifankatia ao Aminy ary mifankatia amin’ny olona rehetra.

Trosa tsy mety voaloa io izany hoe na tsy voaloa aza ny fifankatiavana no ambony. Aleo very tsikalakalam-bola …

Betsaka ny trosa tsy voaloa. Tsy maintsy aloa anefa. Kanefa na tsy voaloa aza simbana ny fifankatiavana.

Amena.

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Pentekosta 2020

« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra » (Jaona 3/3)

Fanompoam-pivavahana: Alahadin’ny PENTEKOSTA 31 may 2020

Toriteny

« Nanatrika fampakaram-bady tao kana i Jesoa. Lany vatsy ny tompon’ny fanasana, lany divay. I Jesoa dia manala fahasahiranana ny olona. Nataony tonga divay ny rano tamin’ny siny vato 6. (6X6=36l). manampahefana hanova ny zava-boary i Jesoa.

Tamin’ny fotoana niakaran’i Jesoa voalohany tany Jerosalema dia nandroaka mpivarotra Izy sy nadrava tsena tao amin’ny kianjan’ny tempoly. Fahefan’ny mesia izany, fahefana miseho izany. (Sal 69/5) Mesia i Jesoa.

Fa eto amin’izao Jaona izao dia fahefana milaza fa fahefana ara-panahy koa dia ao amin’i Jesoa Kristy. Ka ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fanahy mandrakizay dia alalana avy aminy irery ihany no hahazoana miditra ao na any. Inona izany fahefana izany ? «  Raha tsy ateraka indray ny olona… »

Ahoana sy ahoana indray ary izany ?

Mandray ny fanahin’Andriamanitra

Ny hevitry ny soratra masina amin’izany : nilatsahan’ny fanahy masina. Nofenoina ny fanahy masina. Entanin’ny fanahy masia. N’iza iharan’izany dia lazaina fa ateraka indray : tarihin’ny fanahy masina.

Mandray ny fanahy masina : miara monina amin’ny fanahy masina. Ny sitrapon’ny fanahy masina no sitrapony. Départ zéro. Lasa ny taloha, tonga vaovao ? vao teraka. Mitombo. Miha lehibe.

Ohatra : ra-olona : ra olombaovao, ambony, ambony. Osa : sahy sns…

Petera : mientana, mivadika. Nony mandray ny fanahy masina (nilatsahany, feno ny fanahy masina, indro olom-baovao, sahy, mientana, miteny amin’ny manam-pahefana hoe : tsy ekena mihoatrano ho Andriamanitra ianareo. Andriamanitra no ekena mihoatra noho ianareo.

Stefana : niteny mazava nohon ny fanahy masina tao aminy. Indro ny zanak’olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra. Izay anisan’ny nampirodana ny olona hanome azy.  Finoana mahafaty kanefa mahavonjy mandrakizay. Teraka indray : olom-baovao mitombo, miova tsikelikely.  Tsy misy dia tonga lasa avy hatrany amin’ny fahaterahana. Ny fanahy masina mahery kanefa miasa miandalana (pas à pas ; petit à petit)

Ny fanahy masina tsy manova ny momba anateo rehetra tampotampoka eo. Manova tsikelikely Izy. Misy olona te hiova tampoka, tsy mahandry, fanahy masina ka lasa toy ny olona mifoha tampoka amin’ny torimaso, ka izy no miasa fa tsy ny fanahy masina, vokany miraparapa, manaonao foana.

Ateraka avy any ambony (tamin’ny voalohany teraka teo an-tany)

Avy amin’Andriamanitra.a vy amin’ny tenin’Andriamanitra. Mandray Azy dia omeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra. Tsy azoazo amin’izao fa katsahina, sainina ny any amin’Andriamanitra. Omena anaram-baovao. (ny 70 lahy) nanaiky satana. Hitako nilatsaka tahaka ny varatra. Mifaly fa voasoratra any…. Tsy hoe manaiky anareo ny fanahy fa vaosoratra… lasa olon’ny lanitra : citoyen n’ny lanitra. Rehefa tonga ny fotoana dia hita maso izany.

Nikodemosy : hefa mihitsy ny heviny. Hiverina ho any ankibo. Teraka, hirombo, départ zéro. Hafahaha te ho ela velona eto. Samy fariseo i Paoly, na i NIcodeme f any an’i Paoly : mampiasa saina sy fo ary fanahy izanh hoe mikatsaka. Fiovana mahery vaika indray izy amin’izany : saoly = Paoly. Jodaisma : kristianina : olona mafy toto. Tsara orina. Mahefa be. Manana tanjona avo dia avo. Manadino ny any aoriana fa manatratra ny eo aloha. Olona karazany hefa noho ny olona rehetra. Tena Eugène na Eugénie. (tsara karazana)

Tsy hoe olona super fa olona tsara no ilazan’ny voambolana azy. Tsara orina. Tsy miova. Mafy toto. Mahatanty. Mahalala tena mahalala ny ataony.

Ao amin’ny batisa ny olona no ateraka indray. Eo no voasoratra ho isan’ny fiangonana sy ao amin’Andriamanitra na ao amin’ny  fanjakan’Andriamanitra. Ny EEM dia ery aoriana ery ny fanaovana batisa.

Olom-baovao tanteraka

Manana ny fiainan-danitra. Manana ny fitiavana sy fifaliana ary fiadanana. Manana vokatra betsaka amin’izany satria ny fanahy masina mihitsy no mikarakara azy. Voafafy ny voa, dia maniry, dia ampitomboin’ny fanahy masina. Tsy safidin’ny olona ny fitomboana fa asan’ny fanahy masina. Saingy ny olona manaiky ny fanahy masina no toy izany. Manaiky iasan’ny fanahy masina = tarihin’ny fanany masina ny fombany, ny fanao, ny fiasa ary ny fiteny … ka ny eritreritra mifanaraka amin’izay ianarana izay ianarana mifanaraka amin’izay lazaina ; ary izay lazaina mifanaraka amin’izay atao. Tsy misy fifanoherana ny fiaina rehefa olom-baovao tanteraka. Mazava fiaina ny olom-baovao tiaa dia tia. Faly dia faly. Fiadanana dia fiadanana.

Ohatra : misy olona mifady kisoa kanefa miompy kisoa (Pasteur Adventiste izay)

Fiangonana tsy tia croix bleu, tsy tia safif kanefa izy ihany no nanangana ireo. Fanahin’ny fampiviliana izany. DO RE MI = DOEMI

Vaovao fiaina ?

  1. Manao izay tiana atao
  2. Tsy maintsy tarihin’ny fanahy masina ka tsy misy fifanoherana ny fiainany.

Nahatanteraka ny fihazakazahako aho. Nefa noho ny mena miraviravy any amin’ny izao tontolo izao any dia mivadika izany hoe tsy tonga hatrany amin’ny farany akory.

Tanteraka ao amin’Andriamanitra ny fitiavana

Rha misy reservoir iray misy menaka na rano na rivotra, mafy be ny colle natao tamin’ny fanamboarana ny reservoir matoa tsy misy manary. (Intense) ny fitiavana intense (intense relation d’amour) dia tsara orina ka ny olom-baovao na olona nateraka indray dia olona miankina amin’ny fitiavana mahery, tsy misy fepetra, lalina ny fitiavany.

I Petera  raha nanontanian’i Jesoa dia namaly ny fanontanian’i Jesoa tsy araka ny izy

Moa tia ahy va hianao ? fitiavana agape va ny fitiavanao ahy ? tsy misy fepetra va ny fitiavanao ahy ? ianao no mahalala fa izaho tia anao. Tia anao : fitiavan-kavana na sakaiza no lazaina amin’izany. Misy fepetra. Fepetra : havana ka tiana (filia).

Tsy tanteraka ny fitiavana misy fepetra.

Hoy Jaona ao amin’ny I Jaona 4/7 : « ry malala (ry mahate ho tia) aoka hifankatia isika, fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra. »

Kristianina teraka indray = mahatehotia no iantsoan’ny soratra masina azy.

Andriamanitra tia an’i Jesoa. Jesoa tia antsika. Isika tia an’Andriamanitra. Isika tia ny olona.

Tia = mitovy daholo eto, na ny an’Andriamanitra na ny an’i Jesoa Kristy, na ny antsika. Mitovy fitiavana. Eo no milaza fa azo atao ny mitovy amin’Andriamanitra. « aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo ».

FEHINY

aAteraka indray ?

« lazaiko aminareo marina dia marina , raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra »

  • Tsy maintsy mandray ny fanahy masina
  • Ateraka avy any ambony
  • Olom-baovao tanteraka
  • Tanteraka amin’ny fitiavana anefa

Mifamatotra amin’ny fanahy masina

Tsy misy lalan-kafa intsony. Làlana tokana io.

Miala tamin’ny fatoran’ny devoly fa mandroso kosa ho fatoran’ny fanahy masina. Tarihin’ny fanahy masina. Entanin’ny fanahy masina.

Tonge eo amin’ny teboka tsy afaka miverin-dàlana intsony. Point de non retour. Tsy mahazo miala intsony fa m/sy. Miaraka amin’i Jesoa Kristy Mpamponjy sy amin’ny Fanahy Masina mpanavao, ka tonga voaray vaovao mandrakizay. Mpandova miaraka amin’i Jesoa.

Amena.

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

HFM 05: Zoma 29 may 2020

« Fa izay tarihin’ny Fanah’Andriamanitra no Zanak’Andriamanitra » (Rom 8/14)

« Fa izay tarihin’ny Fanah’Andriamanitra no Zanak’Andriamanitra » (Rom 8/14)

« Fa izay tarihin’ny Fanah’Andriamanitra no Zanak’Andriamanitra » (Rom 8/14)

Betsaka marobe, sesehena, tsy ho voalaza, tsy ho voatanisa ny halalaky ny hevitry ny teny hoe = « TARIHIN’NY FANAHY MASINA NO ZANAK’ANDRIMANITRA. » NY HOE TARIHINY = Bitsihiny. Toroiny lalana. Entaniny handeha amin’ny lalana tsara. Ampahereziny hahavita soa  ny làlana.

Ny Zanak’Andriamanitra dia tarihin’ny Fanahy Masina moramora. Tsy avelany hikorontana fa arindrany. Entaniny toy rano hananaina.

Fa misy hafatra dimy ireto amin’ny maha zanak’Andriamanitra

Tarihin’ny Fanahy Masina dia manara-dalàna (Gal 5/18)

Ny fanarahan-dalàna tsy maha zanak’Andriamanitra, fa ny zanak’Andrimanitra no manara-dalàna. Ny tarihin’ny Fanahy Masina no manara-dalàna ary ny zanak’Andriamanitra. Natsoina ho amin’ny fahafahana. TSY HOE = manaraha lalàna diaho afaka.

Tahirin’ny Fanahy Masina dia olon iantran’Andrimanitra.

Amindran’Andriamanitra fo mandrakariva. Tsy mahafoy zanak’Andrimanitra. Izany no fitiavana nasehon’Andriamanitra dia ny niantsoany hoe zanak’Andriamanitra. Zanak’Andriamanitra = efa ao aminy ny Fanahy Masina. Asan’ny tanany (Isaia 45/11)

Tarihin’ny Fanahy Masina = Tia fihavanana

Lazainy fa havany daholo ny olona rehetra. Izany no dikan’ny hoe = RY HAVANA malala. Asan’ny Fanahy ao amin’izay miteny izany. Ao anatin’ny Fiangonana Apostolika izany. Fiteny ao amin’ny toriteny. Fiantsoana ny Kristianina fa Mpihavana daholo ny Kristianina. Raha azo atao … (Rom 12/18)

Anarana mihitsy ny hoe Zanak’Andriamanitra noho ny asan’ny Fanahy Masina (Jaona 1/12)

« Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery (nomeny fahefana) ho tonga zanak’Andriamanitra dia izay mino ny anarany ».

Mino an’i Jesoa Kristy. TARIHIN’NY FANAHY MASINA = manan-kery na mananna fahefana ho tonga zanak’Andriamanitra. Finoana + asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny olona iray = maha zanak’Andriamanitra. VOKATRY ny Asa Fitoriana ny FIlazantsara ny Fiangonana mijoro = NANTSOINA – NANDEHA – NINO – NOTARIHIN’NY FANAHY MASINA. « Izay rehetra nantsoin’Andriamanitra ka nandeha ary nino sy notarihin’ny Fanahy Masina no Fiangonana. » (Fiangonana = Zanak’Andriamanitra ).

Ny tarihin’ny Fanahy Masina dia tsy maintsy mandresy

Ny tarihin’ny Fanahy Masina dia tsy maintsy mandresy ary izay no maha Zanak’Andriamanitra

« Manotra noho ny mpandresy aza » (Rom 8/37). Ao amin’i Jesoa Kristy. Miaraka amin’i Jesoa Kristy. Omban’ny Fanahy Masina dia mandresy izao tontolo izao (I Jaona 4/4). Naterak’Andriamanitra hoy ny fiteny ao amin’ny Soratra Masina dia mandresy izao tontolo izao izany hoe n’iza n’iza avy amin’Andriamanitra sy mino an’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy dia MANDRESY.

FEHINY

Fa izay tarihin’ny Fanah’Andriamanitra no Zanak’Andriamanitra  dia:

  1. Mpanara-dalàna
  2. Iantran’Andriamanitra
  3. Tia fihavanana (Rom 12/18)
  4. Aza manary anarandray hoe razakan’Andriamanitra
  5. Minoa dia mandresy.

AMENA.

Ny Mpiandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

HFM 04: Alakamisy 28 may 2020

« Tsy nomen’Andriamanitra Fanahy osa isika, fa Fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena » (II Timoty 1/6-14)

« Tsy nomen’Andriamanitra Fanahy osa isika, fa Fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena » (II Timoty 1/6-14)

« Tsy nomen’Andriamanitra Fanahy osa isika, fa Fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena » (II Timoty 1/6-14)

Noho ny amin’i Timoty dia misaotra an’Andriamanitra amin’ny fo madio Paoly ary tsy mitsahatra ny mivavaka ho azy i Paoly. FANIRIAN’I PAOLY  amin’ny vavaka ataony mba ho feno fifaliana mandrakariva ny zanany. Mba ho tafatoetra amin’ny finoana tsy mihatsaravelatsihy (hypocrite) sy hanompo amin’ny fiovana.

Noho izany, dia maniry i Paoly mba ho fanahy mahery no entinh manompo an’Andriamanitra fa tsy fanahy osa.

Ndeha isika hianatra ny amin’ny hoe fanahy osa sy fanahy mahery. Ary hahatsapa isika fa vavolombelona azo antoka. Vavolombelon’i Jesoa Kristy tsy menatra ny amin’izany.

FANAHY OSA

Fanahy osa = fanahy manandevo  (vao mihetsika dia =  tantely, akoho mena, vola … nasian’ny olona ). « Mamorona  fanompoan-tsampy maro ». Ampahorian’ny tahotra.

Fanahy osa = fantatry ny olona ny fiainany ka ataon’ny olona tsinontsinona. Ratsy fanahy (tia kely, mandrairay, tanana mitsotra lava …), fanahy ratsy, fanahy noana, marenina, mahajamba, boka, manandevo, 2000 (légion).

Raha tsorina = andevo fiaina : MALOTO. MAIZINA. Saro tahotra izy sady atahoran’ny olona.

Raha tanisaina = tsy azo iaraha-monina. Satanika. Mahery amin’ny faharatsiana fa osa amin’ny fahasoavana. Miraparapa. Mampisaraka.

FANAHY MAHERY

Mifanohitra amin’ny teo aloha.

  • Efa mahafantatra tsara lasa zanak’Andriamanitra.
  • Omban’Andriamanitra amin’ny ady marove ka tafavoaka hatrany. MIARAHA amin’Andriamanitra. Sahalain’Andriamanitra. Loha-lalana ….
  • Mazoto amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo. Miasa rehefa asaina miasa.
  • Ataon’ny olona modely na lasa fianarana, na lasa FITARATRA. Fianarana ho an’ny mino.
  • Olom-boavonjy. Ny ataony rehetra dia ahitana fa olom-boavonjy izy.
  • Itoeran’ny Fanahin’i Jehovah. Tsy izy no velona fa ny Fanahy Masina.

FANOMEZAM-PAHASOAVANA izany rehetra izany = fanahy mahery. Ny Fanahy Masina nomena no mahatanteraka  an’izany. Ary AHALALANA fa FITIAVANA sy MAHAFEHY TENA ny olona toy izany. ANTONINY ny ZAVATRA rehetra eo amin’ny fiainany.

Ny olona mahery = olon’ny Fanahy sy olon’ny fitiavana ary olona mahafehy tena.

FEHINY

  • Adidy ny maha Mpitarika.
  • Ny olona manana ny Fanahy masina ka lasa mahery ny fanahiny, dia adidy koa izany. Adidy amin’ny Asa Fitoriana ny Filazantsara. Adidy eo anatrehan’ny fahavalo. Adidy amin’ny fahoriana eo am-panaovana ny asa. Ary rehefa miasa amin’ny fahafatesan’i Kristy sy ny Fitsanganany ny Fanahy Masina dia miala ny fahosana rehetra fa lasa hery izany. Amena.

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

HFM 03: Alarobia 27 may 2020

« NY ATAON’NY VOAHOSOTRY JEHOVAH NOHO NY FANAHY MASINA AO ANATINY » (Lioka 4/14-19)

« NY ATAON’NY VOAHOSOTRY JEHOVAH NOHO NY FANAHY MASINA AO ANATINY » (Lioka 4/14-19)

« NY ATAON’NY VOAHOSOTRY JEHOVAH NOHO NY FANAHY MASINA AO ANATINY » (Lioka 4/14-19)

Raha miverina mamaky ny Lioka 3 /1-22  sy ny 4/1-13 dia izao no tsapa sy voalaza ao.

  •  Rehefa avy natao batisa Jesoa, dia nidina teo amboniny toy ny voromahilala ny Fanahy Masina ary voalaza tamin’ny feo avy any an-danitra fa hoe « HIANAO no zanako malalako ; hianao sitrako. »
  • Dia nentiny Fanahy Masina tany an’efitra Izy mba ho alain’ny devoly fanahy, dia nandresy ary nandao Azy aloha ny devoly.

Araka izany, raha vakiana indray ny Lioka 4/14-19 dia milaza ny tenany i Jesoa Kristy fa Jehovah no NANOSOTRA AZY ho Mpitory teny soa mahafaly. Nomena Azy ny Fanahy Masina rehefa vita batisa izany hoe VITA BATISA= Voahosotra.

Ny voahosota = mpitory ny vaovao mahafaly, tsy i Jesoa Kristy ihany fa ny vita batisa rehetra.

Ny ANDRO PENTEKOSTA izany dia andro mampahatsiahy ny VITA BATISA rehetra fa Mpitory ny VAOVAO Mahafaly izy. INONA AVY NY VAOVAO MAHAFALY ARAKA IZANY ?

Vaovao mahafaly = Toriteny arahin’asa

  • Toriteny ihavian’ny finoana (Rom 10/17)
  • Inona no lazain’io toriteny iavian’ny finoana io ?
    •  Vaovao mahafaly = filazana tsara fa voavela heloka ny mpanota, tsy misy fanamelohana ny mpanota, tsy misy fanamelohana intsony. NOTAKONAN’NY FITIAVAN’ANDRIAMANITRA NY OTA (Ohab 10/12b). « Izay te ho be fitiavana manaron-keloka » (Oha 17/9).

Ny toriteny, ny vaovao mahafaly izany dia Filazana an’Andriamanitra manarona ota, manaron-keloka ary indrindra tsy misaraka amin’ny olona intsony.

  • Ny Teny faha ilazany io teny io dia ny hoe = FINOANA + ASA. « tsy vanona ny finoana tsy misy asa » (Jak 2/20). Fa inona moa ny asa ? Mamonjy  ny very. Manome fitafiana ny tsy manana. Manolotra sakafo ho hanina. Mamangy ny marary…
    • Fa eto amin’ny Perikopa ny asa dia = mitory eny soa mahafaly. Mitory fahafahana. Mampahiratra. Manafaka fahoriana. RAHA TOA TORITENY TSY MISY IREO ASA IREO DIA Toriteny mololo, manidina.

Ohatra : mitory teny amin’ny noana = sarotra. Mitoriteny amin’ny olona tsy nandia fianarana manahirana. NY TENA IZY ary tena maha vaovao mahafaly dia ny MITORY +  ASA : Manome sakafo, mampianatra.

FEHINY

Hitari-dalana antsika lalandava anie ny Fanahy Masina amin’ny Mpitory vaovao mahafaly antsika. Jesoa Kristy + Fanahy Masina + Asa = Vaovao Mahafaly. Amena.

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

HFM 02: Talata 26 may 2020

ASAN’NY FANAHY MASINA AO AMIN’NY MALALAN’ANDRIAMANITRA (Matio 12/14-19)

ASAN’NY FANAHY MASINA AO AMIN’NY MALALAN’ANDRIAMANITRA (Matio 12/14-19)

ASAN’NY FANAHY MASINA AO AMIN’NY MALALAN’ANDRIAMANITRA (Matio 12/14-19)

Eto amin’ny Filazantsara eto dia misy FOTO-PINOANA toy izao :

  • Maro dia maro ny asa tsy azo atao amin’ny andro SABATA
  • Saingy, misy ASA KOSA, tsy hanana fitsaharana fa manainga ny olona mba hiatrika izany amin’ny maha mpanompon’Andriamanitra.

Ireto avy ny asa azo atao amin’ny SABATA : mamonjy biby latsaka ankady. Manasitrana. Manao soa sy miantra. Mitory vaovao mahafaly.

Fa ny FARISEO tsy faly noho izay asa famonjena na asa soa izay ka niara-nisaina hahafaty an’i Jesoa Kristy. Amin’ny Fariseo dia FAHOTANA mahafaty ny manao asa soa amin’ny SABATA. Amin’i Jesoa Kristy kosa= TSIA. Andro hiasam-pamonjena ny SABATA.

OLOM-BOAFIDIN’ANDRIAMANITRA NY MANAO ASA

« Mpanompo voafidy ». Olona navahan’Andriamanitra manokana haneho ny voninahiny. Nataon’Andriamanitra misongadina amin’ny mpiara-belona aminy.

Ohatra : Mpaminany, mitondra ny hafatr’Andriamanitra. Mpisorona, Mpitsabo…

Amin’ny andro ankehitriny : Pompier, Police, Mpitsabo sns. Manao soa ireny. Eken’Andriamanitra ny ASA SABATA ataon’ireny.

MALALAN’ANDRIAMANITRA KOA 

Hoy ny teny eto ; « izay sitraky ny foko indrindra. Jesoa Kritsy no voalaza amin’izany eto. Nefa ny Fiangonana dia voalaza koa fa malalan’Andriamanitra sdy voantso no marina.

Afaka manao asa famonjena ny Fiangonana na dia andro alahady aza. Tombotsoa ny hoe malalan’Andriamanitra sady voantso no masina= adidy amin’ny Andraikitra no miandry sy manentana ary maniraka. Adidy amin’ny andraikitra = manao soa, mamonjy, mitory filazantsara. Asan’ny Fiangonana ny manao asa TSARA amin’ny SABATA.

IZAY IPETRAHAN’NY FANAHY MASIN’ANDRIAMANITRA

« Hapetrako ao aminy ny Fanahiko ary hitory ny rariny Izy. »

Ny hoe « rariny » eto = lalàna ho an’ny olona rehetra. Mampitovy ny olona rehetra ny lalàna. Mampitovy . samy MILA FAMONJENA.SAMY mila soa. Samy mila ny tsara ho eo amin’ny fiainany. MITORY FAMPITOVIANA ny ipetrahan’ny Fanahy Masina.

Koa ilay lehilahy maty tanana, n’iza n’iza teo amin’ny toerany dia te-ho sitrana daholo. Anisan’izany ny FARISEO izay tsy tia manasitrana andro sabata.

Koa ny asan’ny Fanahy Masina dia mamonjy ny olona rehetra misy fahavoazana ary mampitovy ny olona rehetra amin’izany.

FEHINY

Ry olom-boafidin’Andriamanitra ô ! RY malalan’Andriamanitra ô ! Ry Fiangonana fonenan’ny Fanahy Masina ô ! Miasà – Manaova soa. Mamonje. Aza mitsahatra. Fa i Jesoa Kristy izay maniraka INDRO MOMBA  ANAO. Amena.

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

HFM 01: Alatsinainy 25 may 2020

ASAN’NY FANAHY MASINA EO AMIN’NY HASAROTAN’NY IRAKA AMPANAOVIN’I JESOA (Matio 10/16-20)

ASAN’NY FANAHY MASINA EO AMIN’NY HASAROTAN’NY IRAKA AMPANAOVIN’I JESOA (Matio 10/16-20)

ASAN’NY FANAHY MASINA EO AMIN’NY HASAROTAN’NY IRAKA AMPANAOVIN’I JESOA

Eto amin’ny filazantsara eto dia latsaka ankaterena ny Irak’i Jesoa Kristy

  • « ONDRY EO AMPOVOAN’NYAMBODIA »
  • « TORIAN’NY OLONA TSY AHOANTSIAHONA ANY AMIN’NY FITSARANA »

Izao anefa ny fanomezan-toky :

  • Rehefa HENDRY sy MORA dia mandresy fa tsy resy
  • Raha MAHATOKY ny Fanahy Masina dia TAFAVOAKA

Inona ny hafatra amin’izany ?

Inona ny fahamarinana lazain’izany ?

MAHEREZA

Azo lazaina ireto teny ireto= Miorena tsara aza miova. Mahefa be. Tsy misy very maina izany. Misy valiny daholo ny atao.

Samy hahazo satroboninahitra.

Samy ho tolorana ny valin’ny fisasarany avy ny tsirairay. VALISOA = KARAMA= TOMBONY

  • ONDRY TAFAVOAKA eo afovoan’ny AMBODIA ve, tsy hahazo ny VALIM-PITIA LEHIBE avy amin’ny Andriamanitra ? Tsy mendrika ny homena FIFALIANA sy  FIADANANA mandrakizay ?
  • FAHAVALO MARO. FAHAVALO MATANJAKA. FAHAVALO MAHERY SETRA. TSY MITSITSY. Nefa noho ny FAHENDRENA sy FAHAMORANA dia hiala maina sy hangahiahy. Lava hoho maro anaka, maranitra nify, henjana hozape            mahereza.

MATOKIA NY TENY NOMENA

«  Hendre – Morà – Aza manahy »

  • Hendre (aoka ho fetsy). Menarana= kinga maso fa be marenina. TSY MAHENO FA MAHARAKA.        Ilaina ny be marenina. Ilaina ihany izany.
  • Morà = (Aoka ho tsotra). Aza manasaro-javatra. Minoa fotsiny. Mandehana fotsiny. Mihinana fotsiny. Miasa fotsiny.
  • Aza manahy = Andriamanitra no miady fa hianareo mangina. « TSY MITENY FA ALEO NY FANAHY MASINA NO HITENY »

      Ny tenin’Andriamanitra dia hamarininy rehefa matoky an’Andriamanitra isika. Io tenin’Andrimanitra io di amarina amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny anonton-javatra rehetra. TSY MISY DISO NY TENIN’ANDRIAMANITRA.

FEHINY

ny Fanahy Masina rehefa miasa dia tsy misy mahasakana. Miasa mampahery ka sahy miatrika fahavalo maro sady matanjaka. Ny Fanahy Masina rehefa miasa dia mampiala maina ny mahery rehetra.

Jesoa Kristy tsy nanome Fanahy osa fa nanome Fanahy Masina Izay Andriamanitra tompon’ny fahefana rehetra ihany koa no nomeny.

Amena.

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty